Mah Bio Beauté
Produits des cheveux
Petite astuce
Divers activités
Abonnez-vous 🥰
03/09/2026
😁🥰
23/08/2026
💌 Efa nampiasa ny vokatra Mah Bio Beauté ve ianao? 🌿
✨ Crème coiffante : LA MEILLEURE REPOUSSE
✨ Shampooing solide : MAH'POUSSE ACTIVE SHAMPOO
💬 Inona no vokatra tsikaritrao?
❤️ Nahafa-po anao ve?
🌸 Inona no tena tianao indrindra?
Zarao aminay eto ambany ny retour-nao 👇🥰
Misaotra amin'ny fahatokisana! ❤️🌿
18/08/2026
Serviette cheveux microfibre double face et serviette de bain 🌸
Salama daholooo 🥰 Iza indray no mbola tsy nahazo an’ity serviette cheveux microfibre ity? 😍
🍀 Serviette cheveux microfibre
✨ Mitroka tsara ny rano rehefa manasa volo
✨ Manampy hampihena ny frisottis sy ny fahasimban’ny volo vokatry ny fikosehana mafy ny volo amin'ny serviette
✨ Mety amin’ny karazam-bolo rehetra
✨ Double face 🤍
✨ Mora ampiasaina ary tena pratique rehefa avy manasa volo
💚 Disponible ato amintsika!
👉 Manaova commande dieny izao ry reto 😍
💰 Vidiny mora /iray ho an’izay te hikarakara ny volony ..
📩 Aza miandry ho lany vao mitady an! 🥰
🌽✨ MASQUE VOLO VITA AMIN'NY MAÏZENA ✨
Mora atao ao an-trano! 🥰
Zavatra ilaina :
🌽 Maïzena 2 sotro fihinanana
💧 Rano 200 ml
🍯 Tantely 1 sotrokely (raha tiana)
Fomba fikarakarana azy:
Afangaro ny maïzena sy rano, andrahoina amin’ny afo malefaka sady haroina mandra-pahazoana azy ho lasa pâte marihitra. Avela hangatsiaka.
💆🏽♀️ Ahosotra amin’ny volo rehefa avy manao shampoing, avela 15–20 minitra, dia kobanina tsara avy eo.
✨ Manampy hahatonga ny volo ho malefaka sy mandina ary tsy mibofoka.
=
🌿
✨Tiavo ny volonao, karakarao ary fantaro izay tena ilainy. 🤎✨
Tsy voatery ho tonga lafatra ny volonao vao ho tsara tarehy ianao .
Mila fitiavana, faharetana ary fikarakarana mifanaraka aminy fotsiny izy. 🌿💆🏽♀️
= Volo mitsiry
12/08/2026
💡 MAMPIASA PRODUITS MARO VE IANAO NEFA MBOLA MORA TAPAKA NY VOLONAO? 🤔
Mety tsy ny habetsahan'ny produits ampiasainao no olana… fa ny fomba fikarakaranao ny volonao. 🌿
Ireto misy antony mety mahatonga ny volo ho mora tapaka 👇🏽
🪮 **1. Famahana volo mafy loatra **
Rehefa misintona mafy ny volo rehefa mamaha azy dia mety hahatonga azy ho mora tapaka.
🔥 2. Fampiasana hafanana matetika
Ny lisseur, sèche-cheveux mafana, sns. dia mety hampahalemy ny fibre capillaire rehefa ampiasaina matetika.
💧 3. Tsy ampy hamandoana (hydratation)
Ny volo maina dia mora vaky sy tapaka. Mila hydration sy soins mifanaraka aminy izy.
🎀 **4. Coiffures mafy loatra **
Ny randrana(tresses), queue de cheval na coiffures hafa tena manery ny volo dia mety hampitombo ny casse.
✂️ 5. Tsy fikarakarana ny tendron-volo
Raha efa maina sy misokatra ny pointes, dia mety hitombo sy hihitatra ny fahatapahana raha tsy karakaraina tsara.
🌱 Tsarovy:
Tsy hoe produits maro = volo salama.
Ny tena zava-dehibe dia ny routine mety + fikarakarana malefaka + faharetana. 🤍
✨ Ny tanjona dia tsy ny hampitombo ny volo fotsiny, fa ny hiaro azy tsy ho tapaka mba hahafahanao mitazona ny longueur!
💬 Ary ianao? Inona no tena mahatonga ny volonao ho mora tapaka araka ny eritreritrao? 👇🏽
11/08/2026
🌿🧼 MAH’PASH – SHAMPOOING REPousse ACTIVE 🌿
💚 Te hampitombo sy hanamafy ny volonao ve ianao?
Fantaro ny MAH’PASH, shampooing solide natao manokana ho an’ireo mitady routine repousse sy fikarakarana lalina ny hodi-doha. ✨
🌿 Inona avy ireo tombontsoa azo avy aminy?
✨ Manampy manaitra sy manohana ny fitomboan’ny volo
✨ Manampy amin’ny fikarakarana ny fotom-bolo
✨ Manampy manamafy ny volo mba tsy ho mora tapaka
✨ Manampy amin’ny fikarakarana ny hodi-doha
✨ Manampy amin’ny fanomezana tontolo tsara ho an’ny repousse
✨ Manampy amin’ny fitazonana ny volo ho salama sy matanjaka
🌱 Ireo akora voafantina ao aminy:
🫚 Gingembre → manampy manaitra sy mikarakara ny hodi-doha.
🌿 Romarin → manampy amin’ny fikarakarana ny hodi-doha sy ny fotom-bolo.
🌰 Huile de ricin → manampy amin’ny fanamafisana ny volo.
🧈 Beurre de karité → manampy amin’ny hamandoana sy mampalefaka ny volo
🍯 Tantely → manampy mitazona ny hamandoan’ny volo.
💚 MAH’PASH = NETTOYER • SOIGNER • FORTIFIER • FAVORISER LA REPOUSSE 🌱✨
🧼Mora ampiasaina, mora entina ary mety amin’ny routine capillaire-nao.
📩 Te hanomboka ny routine REPOUSSE-nao?
Alefaso aminay ny MP raha te hanafatra na hahazo fanazavana bebe kokoa. 💌
🌿 MAH’PASH — Ny dingana voalohany amin’ny volo lava, matanjaka ary voakarakara. 🤎
❤️SANS SULFATE _ SANS PARABÉNS _ SANS SILICONE
10/08/2026
✨Mirary erinandro vaovao feno fahombiazana ho antsika rehetra indray ❤️
🇲🇬
🌿✨ MASQUE HO AN’NY VOLO: HYDRATANT + PROTÉINÉ ✨🌿
Raha maina, marefo na mora tapaka ny volonao, dia afaka manandrana ity masque vita ao an-trano ity ianao.
Afaka ampiasain'ny karazambolo rehetra koa anefa 💆🏽♀️🤎
🥣 Ireo akora ilaina :
🍌 Banane 1
🥚 Jaune d’œuf 1
🌽 Maïzena 2 sotro fihinanana
💧 Rano 200 ml
🍯 Tantely 1 sotro fihinanana
✨ Inona avy no tombontsoany?
🍌 Banane → manampy amin’ny fanalefahana sy fanomezana souplesse ny volo.
🥚 Jaune d’œuf → misy protéines ka manampy amin’ny fikarakarana ny volo malemy sy marefo.
🌽 Maïzena → manampy hahatonga ny volo ho malefaka sy mora karakaraina.
🍯 Tantely → manampy mitazona ny hamandoana ka mampalefaka ny volo.
🧴 FOMBA FIKARAKARANA :
1️⃣ Afangaro amin’ny rano 200 ml ny Maïzena.
2️⃣ Andrahoy amin’ny afo malefaka sady afangaro tsy tapaka mandra-pahazoana azy ho marihatra(texture crémeuse)
3️⃣ Avela hangatsiaka kely.
4️⃣ Poteho na mixena tsara ny banane mba tsy hisy potipoti-javatra.
5️⃣ Ampio ny jaune d’œuf sy ny tantely.
6️⃣ Afangaro miaraka amin’ilay Maïzena efa masaka mandra-pahazoana pâte mitovy tsara.
💆🏽♀️ FAMPIASANA :
Ahosotra amin’ny volo madio sy somary lena, indrindra amin’ny longueur sy ny pointes.
⏰ Avela 20–30 minitra, avy eo kobano tsara amin’ny rano matimaty na. Mangatsiaka.
💡 Tsara raha akondro masaka tsara no ampiasaina ary mixena tsara mba tsy hisy potipotiny tavela amin’ny volo.
💡in-dray na in-droa mandeha isam-bolana no ihany no afaka ampiasaina azy raha misy jaune d'œuf ( protéine)
💡Raha tsisy atody kosa dia afaka ampiasaina in-dray isakerinandro
🌸 Volo malefaka, souple ary mangirana tsara! 🤎
🌿
Category
Website
Address
Ambolokandrina
Antananarivo
Opening Hours
| Monday | 09:00 - 19:30 |
| Tuesday | 08:30 - 19:30 |
| Wednesday | 08:30 - 19:30 |
| Thursday | 08:30 - 18:30 |
| Friday | 08:30 - 18:00 |
| 19:00 - 20:30 | |
| Saturday | 08:30 - 12:00 |
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Mah Bio Beauté posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.