Baiboly katolika
Taminy voalohany ny teny , ary ny teny tao amin Andriamanitra ary Andriamanitr ny teny
05/05/2026
๐ป๐ฆ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐๐๐๐๐ป๐ฆ
โ Ry Jesoa be fitiavana indrindra,
izay nanamasina ny fianakaviana voafidinao tety an-tany,
taminโny hatsaram-panahy tsy hay lazaina,
sy ny oha-pitondran-tena nomenao tao an-trano,
mba topazo fijery antra ity fianakaviana
miankohoka eto an-tongotrao,
mihanta mba hosoavinao.
โ Ka tsarovy fa Anao ity fianakaviana ity,
noho izy namehy sy nahafoy tena ho Anao.
Koa aoka mba:
๐ท harovanโny hatsaram-ponao izy,
๐ท hafahanao aminโny loza,
๐ท hovonjenao aminโny maha-ory
๐ท ary mba homenao ny herim-po ilainy
haharetana hatraminโny farany
aminโny fanarahana ny fianakavianao masina,
ka rahefa nifikitra taminโny fanompoana
sy ny fitiavana Anao izy, nandritra ny andro niainany,
dia hahazo hankalaza Anao mandrakizay any an-danitra.
โ Ry Maria masina, tsara fo indrindra,
mihanta ny fiarovanao izahay,
fa matoky fa tsy ho hainโny Zanakao lavina ny fangatahanao.
โAry ianao koa, ry Josefa masina,
Patriarka be voninahitra,
mba tahio aminโny fiarovanao mahery izahay,
ary atero eo am-pelatananโi Maria ny vavakay,
hatolony anโi Jesoa Kristy.
๐ Amen.๐
Jesoa Maria Josefa :....
Category
Telephone
Website
Address
Antananarivo
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Baiboly katolika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.