Rasazy Fanny
👩🏻⚕️🥰
23/04/2025
Ny mananasy sy ny datte dia tsy tsara hoanina be loatra mandritra ny vohoka.
Rehefa akaiky ho teraka iny (3 éme trimestre) no idealy satria manampy amin’ny fihetsehan-jaza sy manokatra ny vozon’ny tranonjaza ary mety hanamora ny fiterahana 🤰🏼
Tongava mp izay manana olana ara-pahasalama .
Vonona amaly sy anoro hevitra anao rasazy .
10/10/2024
Placenta Praevia: ny tokony ho fantatrao
Ny placenta previa dia fahasarotana tsy fahita firy mandritra ny fitondrana vohoka, izay vokatrin'ny fipetrahan'ny placenta tsy ara-dalàna ao amin'ny tranonjaza, ka mandrakotra ny vozon-tranonjaza amin'ny ampahany na tanteraka.
🕹️Misy karazany telo lehibe ny placenta previa:
1. Placenta praevia complet
2. Placenta praevia partiel
3. Placenta bas inséré (marginal)
🕹️Ny soritr'aretin'ny placenta previa dia ny fandehanan-dra tsy misy fanaintainana mandritra ny telo volana fahatelo.
🕹️Ny placenta previa dia mety hitranga noho ny antony maro:
- Grossesses multiples
- Cicatrices sur l'utérus dues à des césariennes ou des interventions chirurgicales
- Âge maternel avancé
- Tabagisme
🕹️ Amin'ny ankapobeny dia atao amin'ny alàlan'ny échographie ny diagnostika, na amin'ny telo volana faharoa na rehefa misy ra.
Ny placenta previa dia miankina amin'ny hamafin'ny tranga sy ny dingan'ny fitondrana vohoka:
- Repos: Amin'ny trangan'ny fandehanan-dra antonony dia matetika no aroso ny fialan-tsasatra.
- Hospitalisation: Raha misy fandehanan-dra betsaka kokoa dia mety ilaina ny miditra hopitaly mba hanaraha-maso ny reny sy ny zaza.
- Accouchement par césarienne: Raha mbola mandrakotra ny vozon-tranonjaza ny placenta amin'ny fotoana fiterahana, dia kasaina atao ny fandidiana mba hisorohana ny fahasarotana.
🕹️Ny placenta previa dia mety miteraka fahasarotana toy ny:
- Ny fandehanan-dra be mandritra na aorian'ny fiterahana
- Fahaterahana aloha loatra
- Mitombo ny risika amin'ny fizarana fandidiana
IREO FAMBARA LOZA HO AN'NY BEVOHOKA🤰🏻😫
Ndao aloha mba resahina kely ity😄
🔹Inona avy ireo fambara loza ireo❓
1️⃣Misy rà mandeha: mandritra ny fitondrana vohoka🤰🏻na mialohan'ny fihetsehan-jaza.
2️⃣Marary ny lamosina na ny andoavania(ambony pepeta).😮💨
3️⃣Mifanintona.⚡
4️⃣Misy rano mandeha avy amin'ny lalan-jaza💧
5️⃣Mafana hoditra.🥵
6️⃣Marary an-doha be.😫
7️⃣Mivonto: ny tarehy,ny tongotra,ny tanana🦵🏻🤲🏻🫡
Hoento malaky any amin'ny toeram-pitsaboana ny vehivavy bevohoka raha mitranga ny iray amreo🏨
Miezaha manao repos fa tena ilain'ny bevohoka izany🫰🏻💓
mirary soa.hatrany🥰
Bonjour daholo o❤
Tsy hiresaka lava be isika fa ndao omena torohevitra maro2 kely ianareo mba tsy Ahatataka rehefa hiteraka😁
🔰Ataovy ny La marche fa tena manampy be iny.
🔰Mihinana Datte sy mananasy matetika fa mahasouple ny col iny.
🔰Aza adino lay ranona ravim-boasary any ampihetsehan-jaza.
🔰Ary lay ranona haricot vert à partir ny 8 mois de grossesse.
🔰Mahereza misotro rano.
🔰Manaova exercice akotran'ny La marche, toy ny lomano sy ny yoga prenatale.
🔰Aza mipetraka ela be ary aza mitsangana ela be iany koa.
Zay aloha ny avy aty amiko de afaka mametraka ao anaty commentaire zay mbola mahita anampiana azy😉
Aza matahoatra fa hojereko daholo ireny lohahevitra noteneninareo ireny😎
mirary soa😍
#👩🏻⚕
9 volana ny zaza no tena idealy indrindra hanomezana ronono velona azy❤
17/08/2023
📍Zava-dehibe ho an’ny reny bevohoka no fandehanana misafo eny amin’ny tobimpahasalamana 🤰🏽
📍Amerina lesona kely isika
Impiry no tokony misafo ny reny mitondra vohoka ❔❓
⭕️ Entano ny namanao 🤗
❤️ Saro-pady ny fiterahana, sarobidy ny aina ❤️
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Anjomakely
Antananarivo
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Rasazy Fanny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.