Journal Media

Journal Media

Share

Informations, politique, sociale, culture

Photos from Journal Media's post 01/10/2026

Androany 01 oktobra 2026 tamin’ny 12h13mn, lehilahy iray 25 taona no nitsoraka tao Mandroseza ka niantsoana ny mpamonjy voina an’Antananarivo hikaroka azy.

12h38 no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina ary nanao ny fikarohana avy hatrany.

52 mn tao aorian’izay tafiakatra ity tovolahy, izay indrisy fa tsy nisy aina intsony.

Mpamonjy Voina Antananarivo

Photos from Journal Media's post 01/10/2026

Anosizato Andrefana

Maty voatsatok’antsy i Bob Hidan, misaona ny tontolon’ny mozika Metal

Raha iny handeha hody hamonjy ny trano fonenany iny i Manitra, fantatra amin’ny anarana hoe Bob Hidan, tetsy amin’ny Shell Anosizato Andrefana, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora alina, no niifanehitra tamin’ireo olon-dratsy.

Photos from Journal Media's post 29/09/2026

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐓𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐄𝐅𝐎 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐔𝐍𝐈𝐂𝐄𝐅

Ny fanafainganana ny 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐍𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲 (𝐏𝐍𝐏𝐄), ny famerenana ny asa momba ny 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐍𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 (𝐏𝐍𝐈𝐀𝐏𝐇) ary ny fanamafisana ny famatsiam-bolam-panjakana ho an’ny fiahiana ara-tsosialy no ivon’ny fihaonana.

Nandray ny 𝐓𝐚𝐥𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐔𝐍𝐈𝐂𝐄𝐅 𝐦𝐢𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝟐𝟑 𝐚𝐭𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨, Ramatoa 𝐄𝐯𝐚 𝐊𝐚𝐝𝐢𝐥𝐥𝐢 sy ny delegasiona niaraka taminy ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐨𝐚𝐡𝐚𝐧𝐠𝐢𝐧𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐂𝐚𝐭𝐡𝐢𝐚. Notsindrian’ny UNICEF manokana ny fandrosoana efa vitan’ny Minisitera, indrindra teo amin’ny fandrafetana ny PNPE.

Ny dingana manaraka dia ny famadihana ireo politika sy fiaraha-miasa ho 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲, mba hahazoan’ny ankizy sy ny tokantrano marefo 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚.

28/09/2026

𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗞𝗢𝗡𝗬 : 𝗭𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗔𝗠𝗢𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗜𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗔𝗧𝗦𝗜𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡-𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢

Zaza mpianatra iray tao amin’ny EPP Bemikondry, Kaominina Betaramahamay, Distrikan’i Mampikony, no namoy ny ainy rehefa nianjeran’ny andrian-tranon’ny sekoly.

Mampiverina indray ny adihevitra momba ny fiarovana sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa an-tsekoly ity tranga mampalahelo ity, indrindra ireo trano efa antitra na ahiana hampidi-doza.

Misy ihany koa ny mametraka fanontaniana momba ny andraikitry ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra raha toa ka misy tsy fanarahana ny adidy amin’ny fiantohana ny fiarovana ny mpianatra. Ny mety ho andraikitra ara-pitsarana anefa dia mila faritana amin’ny alalan’ny fanadihadiana sy ny lalàna manan-kery.

Photos from Journal Media's post 28/09/2026

🔥 TRANON'NY FIANAKAVIANA TSY LATSAKAN'NY 3 NO LEVON’NY AFO TAO TSARARANO AMBONY

🚨 Tokony tamin’ny 9 ora maraina, Alatsinainy 28 Septambra 2026, no nirehitra ity trano ity tao Tsararano Ambony, Secteur N4B.

💔 3.000.000 Ar ny vola levon ny afo tao sy fananana maro no may, ka tsy nisy azo noraisina intsony, niaraka tamin’ireo entana rehetra tao an-trano.

👥 Olona manodidina ny 20 no mipetraka ao amin’ity trano ity.

📸📝Fenitra ramamonjisoa

27/09/2026

SENDIKA SISFM

TAORIAN'NY FILAN-KEVIM-PIRENENA, DIA NANAO FANAMBARANA NO SADY MANAO ANTSO AMIN'NY FILOHA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA NY KOLONELY RANDRINIRINA MICKAEL SY NY PRAIMINISITRA RAJAONARISON IZY IREO NY HAMOAHANA NY NAMANY IZAY VOATANA AMPONJA NOHO NY FANEHOAN KEVITRA NATAONY HO FIAROVANA NY CENTRE THERMAL IFANADIANA.

Fa miantso Vonjy ihany koa hiaran'ny antsojay noho ny ataon'ny olomboafidy ka tratran'ny famindran-toerana tsy ara-drariny noho izany mangataka ny hamerenana azy ireo hiasa ny sendika SISFM.

25/09/2026

GEN TATA sy BANDEAU ROUGE : NANDRAY ANJARA MAVITRIKA TAMIN'NY FANONGANANA AN-dRAJOELINA

Tonga eto Renivohitra ny Filohan'ny Marc TATANDRAZA, no sady Mpitarika ihany koa ny manerana an'i . Mahatsiaro ny tolona natao herintaona lasa zay, ho fanamarihana izany dia mizara T-shirt izy, ireo. Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo Mpikambana rehetra manerana ny Nosy hoy kosa Rtoa Sekreteran'Atoa Marc Tatandraza.
📝FijeryVaovao

24/09/2026

Niakatra TVM ny Minisitry ny asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana Andriamatoa Denis Franconio nanazava ny naha-be resaka antsika.

Photos from Journal Media's post 24/09/2026

tsy -drano ny 'ny 'ny , distrikan'Arivonimamo, teo aloha.

Androany, teo Ambohidranomanga RN1 no niseho ny loza.

Nitondra moto izy. Nisy lehilahy 1 hafa ihany koa nitondra moto.

Voalaza fa nisy 4x4 nifaoka azy ireo ary lasa nandositra.

Ilay olom-boafidy teo aloha namoy ny ainy, raha tapaka tanteraka kosa ny ranjo havian'ilay lehilahy 1.

📸📝Skispass Atm

24/09/2026

🔴 VOASAMBOTRY NY POLISY IREO OLONA VOAROHIROHY TAMIN’NY RAHARAHA NAHAFATESANA LEHILAHY ROA HITA FATY TAO AMIN'NY RANON'IKOPA TENY TANJOMBATO

👉 Ady amin’ny heloka bevava sy fanenjehana ireo nahavanon-doza

👮‍♂️ Naharay fitoriana momba ny fahaverezana tovolahy roa ny Polisy ny 13 Septambra 2026. Niala tao an-tranony izy ireo ny 11 Septambra 2026 ary rehafa natao ny fikarohana dia hita faty tao amin’ny Reniranon’Ikopa, teny Tanjombato ny 15 sy 16 Septambra 2026.

🔎 Raha ny fanadihadiana dia Fantatra fa ny disadisa nateraky ny hasarotam-piaro diso tafahoatra no antony namonoana azy roalahy. Olon-tiany sy anadahin'ilay vehivavy iray niaraka tamin'izy ireo ny alin'ny 11 septambra 2026 moa ireo nahavanon-doza ireo.

🚔 Noho ny fanadihadiana nataon’ny Polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, sakelika fahatelo (BC3), dia voasambotra tany Toamasina, izy roa lahy nahavanon-doza ny Sabotsy 19 Septambra 2026 rehefa nafenin'ny fianakaviany sy nalefany nitsoaka. Nandritra ny fakana am-bava dia niaiky izy ireo fa namono azy roalahy, ary hita tamin’ny horonantsary avy amin’ny fakantsary fanaraha-maso (caméra de surveillance) izy ireo nifampitarika.

⚖️ Voasambotra avokoa ireo olona niray tsikombakomba sy nanafina azy roalahy ireo ka natolotra ny fampanohavana ny Alarobia 23 septambra 2026 ary nidoboka am-ponja any Tsiafahy ny iray (01) ary eny Antanimora ny enina (06) amin'izy ireo.
📸📝Polisim-pirenena Malagasy

Telephone

Website

Address


Ratsimilao
Antananarivo
101