Salama ABY

Salama ABY

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Salama ABY, Health/Beauty, Ampitatafika.

08/09/2026

Salama Aby e! 🌸

Ny indray no ho resahintsika androany.

🤔 Fa inona moa izany?

Ny dia fiterahana artifisialy amin'ny alalan'ny fandidiana, fanokafana ny kibo mba amoahana ny zazakely.
👉 Atao any amin'ny bloc opératoire na toeram-pandidiana ary asiana Anesthésie fa fampatoriana.

❌ Misy karazany 2 ny anesthésie azo atao:
➖ Ny Anesthésie générale na fampatoriana tanteraka
➖ Sy ny Rachianésthésie na fampatoriana ny tapany ambany ( Izany hoe afaka miresaka tsara ilay Reny mandritrin'ny fandidiana)

👉 Misy karazany anakiroa ny OC dia ny:
- OC Programmée na hoe efa nomanina mialoha
- OC en na hoe noho ny fahasarotana dia tsy maintsy atao OC ilay Reny.

🔥 Fa maninona no tsy maintsy Didiana ny vehivavy bevohoka iray rehefa hiteraka?

Ny OCP na programmée dia atao raha:
🔥 Tery ny bassin an'ilay Reny na fohy loatra izy (Latsakin'ny 1.50 mètres ny halavany)
🔥 Mibahana ny lalan'ny zaza ny ahitra na Placenta Praevia
🔥 Misy Fibrome na myome ao amin'ny tranon-jaza na kyste ihany koa (Izay mety hibahana ny zazakely ka tsy ho tafidina izy na dia misy contraction ary)
🔥 Misy olana ao amin'ny col : Cancer du col ohatra
🔥 Manana olana ilay Reny: mety ho ambony loatra ny Tension- any , manana olana amin'ny fo ....
🔥 Mety noho ny tsy fahatomombanana eo amin'ny zazakely : misy malformation efa hita na mitsivalana ny fipetrany.
🔥 Raha efa nididy mihoatran'ny in-02
🔥 Na safidy ihany koa.

🚫 Ny fiterahana rehetra dia samihafa daholo ary ny mpitsabo ihany no mahita hoe tokony hiditra amin'ny fandidiana ve sa tsia
Izay no antony tokony hanarahi-maso ny vohoka foana.

❌ Rehefa inona indray no miditra amin'ny ?
👉 Ho jeretsika amin'ny manaraka indray ny mikasika an'izay 🌸

🥰 Araho hatrany ny pejy.

02/09/2026

Salama Aby e 👋

Ny tapany faharoa

Ato ny rohy ho an'ny tapany voalohany raha mbola tsy naharaka ianao.
👉 https://www.facebook.com/share/p/18HMR65s1n/

💥 Rehefa tafavoaka amin'izay ny lohan'ny zazakely dia mivoaka manaraka ny sorony (Mandeha tsirairay) avy eo manaraka ny vatany.

❤ Dia tonga ny Zazakely ary mitomany.
Apetraka eo amin'ny reniny.

❗Miato kely ny fanaintainana fa miverina misy contraction kely indray rehefa mivoaka ny ahitra (5 hatramin'ny 30 minitra)

❌ Rehefa tafavoaka ny ahitra dia jeren'i Rasazy na Dokotera hoe feno tsara ve sao sanatria mbola misy tavela ao anaty tranon-jaza.

🚫 Ho an'ny zazakely:
- Jerena hoe tomombanana daholo ve ny vatany
- Diovina izy ary Lanjaina sy refesina dia ampiakanjona

⛔ Ho an'ny Reny:
- Jerena sao misy tataka ny lalan-jaza dia zairina raha ilaina
- Jerena ihany koa normal ve ny tranon-jaza

❌ Tsara marihana fa mandritran'ny fihetsehan-jaza dia arahi-maso foana ny fidobokin'ny fon'ny zazakely sy ny contraction amin'ny alalan'ny

💥 Izay no mahakasika ny fa ho jerentsika amin'ny manaraka indray ny (OC) fa araho hatrany ny pejy

🤗 Raha nahasoa anao dia zarao mba hahasoa ny hafa.

28/08/2026

Salama Aby e 👋

Ireo tokony ataon'ny vehivavy bevohoka sy ny antony anaovana azy.
Izay indray no ho resahintsika.

1. : io no hijerena ny sela ao anatin'ny rà
👉 Sela mena na globule rouge
👉 Sela fotsy na globules blanc
👉 Plaquettes izay miasa amin'ny fivainganan'ny rà

2. ABO - Rhésus : sokajin-drà
👉 Ilaina be mba ahafantarana ny sokajin-drà an'ny Reny Ilaina rehefa hiteraka sao mila rà tampoka fa indrindra hijerena sao dia mifanohitra ny sokajin-drà an'ny zaza ao an-kibo ka mety hiteraka olana eo amin'ny zazakely sy ny vohoka manaraka

❌ Ho atao ranty mitokana mihitsy ny mikasika an'izay 🤗

3. na ny tahan'ny siramamy ao anaty rà, farafahakeliny 08 ora tsy misakafo.
👉 Hijerena sao misy diabeta ny vehivavy bevohoka iray
🔥 Ato amin'ity ranty ity ny fanazavana mikasika an'izay. https://www.facebook.com/61582686333479/posts/122141462955089544/?app=fbl

4.
👉 Mifindra amin'ny zaza ao am-bohoka.
Ary mety hisy fiatraikany amin'ny Reny sy ny Zaza (Malformation...)

5. Ny sy
👉 Mety hifindra amin'ny zaza ao am-bohoka
⛔ Misy vaksiny atao amin'ny zazakely vao teraka izy (24ora) raha misy hépatite B ilay Reny

6. Analysen'ny pipy
👉 Hijerena sao misy olana na mikraoba ny pipy.

7.
👉 Raha ohatra ka misy zavatra mivoaka avy amin'ny fivaviana.

♥️ FEHINY:
- Ilaina ny manao analyse rehefa mitondra vohoka ny vehivavy
- Misy ny fitsaboana azo atao ary betsaka ny fahasarotana azo sorohana raha hita mialoha ny aretina.

🤗 Raha nahasoa anao, dia ZARAO mba hahasoa ny hafa.

Photos from Salama ABY's post 22/08/2026

Salama Aby e! 🌸

'Ndao indray hiresaka momban'ny

🔥 Inona ny zavatra tena mitranga ao amin'ny vatantsika ao mandritrin'ny fiterahana? 🤔

Ny zazakely dia mipetraka sy mitombo ao anatin'ny tranon-jaza na Utérus mandritrin'ny 9 volana.

Rehefa feno izay na hoe "À terme" ny vohoka dia miseho tsikelikely ireo fambara rehetra:

💥 Misy zavatra mivoaka avy amin'ny fivaviana iny no antsoina hoe " " mety ho rà, mety ho ny ranon-dohany.

💥 Marary ny kibo sady mienjana isakin'ny 15 minitra avy eo isakin'ny 10 minitra, isakin'ny 5 minitra
👉 Régulier tsara ireo

💥 Mamaly makany amin'ny lamisona io marary io.

❌ Ireo rehetra ireo dia avy amin'ny "Contraction an'ny hozatra ao amin'ny tranon-jaza" mb hampidina tsikelikely ny zazakely.

🔥 Rehefa midina ny zazakely dia manomboka mihafohy ny "Col" sady misokatra tsikelikely (Iny ilay andrasana ho tonga 10 cm vao afaka manena)

⚠️ Raha manena ianao nefa mbola tsy tonga 10 cm dia mety mivonto ny col dia tsy mety misokatra intsony na rovitra mihitsy aza.

🔥 Rehefa afaka eo amin'ny col ny zazakely dia tonga ao amin'ny "Vagin" amin'izay dia eo ilay asain'i Rasazy na i Dokotera manena mandra-pivoakan'ny lohan'ny zazakely.

🥰 Fotoana anisan'ny tena mafy hiainan'ny Reny rehetra io fiterahana io.
Ary samy manana ny fomba hiatrehiny azy ny vehivavy tsirairay.

💖 Tsara ny mahafantatra ny zavatra miandry anao mba ahafahana miomana ara-tsaina

🌸 Raha nahasoa anao dia zarao mba hahasoa ny hafa.

❤ Mbola ho tohizantsika fa araho hatrany ny pejy.

19/08/2026

Salama Aby e 🌸

Ny sy ny

👉 Izay indray no ho resahintsika anio.

❌ Anisan'ny "ANALYSE" tsy maintsy ataon'ny vehivavy bevohoka ny fijerena Diabeta
👉 Eo amin'ny Telovolana voalohany

⛔ FA MANINONA ARY?

Rehefa misy Diabeta ny vehivavy bevohoka iray dia:
💥 Lasa lehibe ny zaza ao an-kibony (Io ilay antsoina hoe "Macrosomie") mihoatra ny izy rehefa teraka.
👉 Mety hiteraka olana eo amin'ny fiterahana satria lehibe loatra ny zaza ka tsy teraka ara-dalana.

💥 Ho betsaka loatra ny "Liquide amniotique" ka mety hietsi-jaza aloha loatra (Menace d'accouchement prématurée) na ho vaky aloha loatra ny ranon-dohany.

💥 Mety ho teraka aloha loatra ny zaza na "Prématuré"

💥 Na mety ho faty ao am-bohoka mihitsy aza

⚠️ HO AN'NY RENY indray:
❗ Mety hiakatra ny tension
❗ Mety hisy infection ohatra infection urinaire
❗ Mety hisy "Déchirure" rehefa miteraka
❗ Mety aharitra kokoa ny fietsehan,jaza ary mety hisy rà very be loatra aorian'ny fiterahana

🥰 Azo tsaboina sy arahimaso tsara nefa ny diabeta mandritrin'ny fitondrana vohoka.

⛔ Mila manao ANALYSE foana ny vehivavy bevohoka

❤ Raha nahasoa anao dia zarao mba ahasoa ny hafa

12/08/2026

Salama Aby e 👋

🔥 Hiresaka momban'ny DPA échographique indray isika androany
Na
Ny fotoana ahaterahana omen'ny échographie mandritrin'ny fitondrana vohoka.

⛔ Raha fantatra ny nahatongavan'ny fadimbolana farany na ny Date de la Dernière règle (DDR) dia amin'iny no hikajiana ny DPA na ny date vinavinaina ahaterahana

⚠️ Raha tsy fantatra kosa dia manao échographie dia iny no hamantarana azy (Izay DPA omen'ny échographie voalohany indrindra no raisina)

👉 Fa maninona no miova foana ny DPA omen'i échographie?
♥️ Ny DPA omen'ny échographie manomboka eo amin'ny 2ème trimestre na ny telovolana faharoa dia MIOVA ARAKA NY HABEHAN'NY ZAZA.

❗AHOANA IZANY❓

Ny atao rehefa manao échographie an'ny zazakely ao am-bohoka dia:
👉 Mandrefy ny Lohany, ny kibony ary ny feany

⛔ Ireo refy ireo no manome ny LANJA sy ny AGE ECHOGRAPHIQUE ny zazakely, ary ny DPA.

⚠️ Raha somary lehibe izany ny zazakely, dia lehibe ny Age échographique dia ny DPA

⚠️ Raha kely kosa ny zazakely dia kely ny âge échographique ary ny DPA

❌ Izay no mampiova foana ny DPA.

👉 Ny échographie amin'ny 2ème sy 3ème trimestre dia natao mba:
- Hijerena ny habean'ny zaza sy ny fipetrany
- sy hijerena ny toeran'ny ahitra
- ary hijerena ny ranon-dohany

❤ Raha nahasoa anao dia zarao mba ahasoa ny hafa

🌸 Mirary soa ho anao

07/08/2026

Salama Aby e! 🌸

Ndao indray isika hiresaka momban'ny AHITRA na PLACENTA.

Inona ny tena asan'izy io?

💥 Ny ahita dia taova iray miforona ao anatin'ny tranon-jaza rehefa miforona ny vohoka.

⛔ Ny AHITRA no mampifandray ny reny sy ny zaza.

⚠️ Manome izay hery rehetra hitomboan'ny zaza, ny Otrik'aina sy Oxygène

👉 Manala izay loto rehetra avy amin'ny zazakely

👉 Momokatra hormone izay ilaina amin'ny fitomboan'ny zaza: ny HCG, ny progestérone, oestrogène, hPL

👉 Ireo rehetra ireo no mampirindra ny vohoka: mitazona ny vohoka, mampitombo ny zazakely sy manampy sahady amin'ny famokarana nono.

⛔ Ireo mety ho olana momban'ny ahitra mandritrin'ny fitondrana vohoka.
- Mety ambany toeran'ny ahitra
- mety hiendaka ny ahitra ka misy vaingan-drà (Hématome rétro-placentaire)
- Mety tsy miasa tsara izy dia mahatonga tsy fitomboan'ny zaza ao an-kibo

⚠️ Hijerena ireo no tena ilàna ny ECHOGRAPHIE mandritran'ny fitondrana vohoka.

🥰 Ho anao Vehivavy bevohoka, Aza adino ny manao échographie mba hanaraha-maso ny fitomboana sy ny fahasalaman'ny zanakao

♥️ Mirary soa ho anao izahay.

03/08/2026

Salama Aby e 👋

Ato anatin'ny Herinandro ho an'ny FAMPINONOAN-DRENY isika (1 hatramin'ny 7 Aogositra)

💥 Ireo SINGA rehetra ao anatin'ny Nonon-dreny:
- Rano (87% eo ho eo)
- Siramamy (glucide / Lactose ) : mampitombo sy mampatanjaka
- Tavy na lipide
- Protéine
- Vitamines : A, B, C, D, E
- Calcium, Magnésium, phosphore, Fer, Zinc
- Hery fiarovana

⛔ Tena FENO ny nonon-dreny ary ampy ny zaza hatramin'ny fahaenimbolany.

⚠️ Tokono Nonon-dreny 100% no omena ny zaza vao teraka hatramin'ny faha-6 volana.

💖 Ho antsika Reny, mazotoa mampinono mba ho soa ho an'ny zanatsika.

🥰 Mirary herinandro feno fahasoavana ho anao

01/08/2026

🔥 Fandrasaisana marary sy Échographie ho an'ny vehivavy bevohoka

👉 Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy
👉 Amin'ny 08 hatramin'ny 04 ora

♥️ Ety amin'ny Cabinet Médical Salama Aby Ampitatafika, Akaikin'ny Gendarmerie

🌸 Ho raisinay am-pitsikiana ianao 😊

30/07/2026

Salama Aby e! 🌸

♥️ Rehefa inona no tokony hanao "TEST DE GROSSESSE"?

Tsara fantatrao aloha ny principen'ny test de grossesse.
👉 Rehefa tafapetraka eo amin'ny tranon-jaza ilay atody avy amin'ny vavy sy ny tsirin'aina avy amin'ny lahy nitambatra dia manomboka mamokatra an'ilay hormone "BétaHCG" ny placenta. (Eo amin'ny 6 hatramin'ny 10 andro aorian'ny ovulation)

❌ Io β-hCG io jerena amin'ny alalan'ny test de grossesse.

♥️ Afaka jerena ao anatin'ny pipy sy ny rà izy io.

👉 8 hatramin'ny 10 Andro aorian'ny ovulation dia efa ao anaty rà sy pipy io β-hCG io fa mbola AMBANY.

👉 Miakatra tsikelikely io.

❌ Manomboka 3SA dia efa azo jerena ny tahany ao anaty rà, ahafantarana hoe bevohoka ve sa tsia.
❌ 01 Andro aorian'ny tsy fahatongavan'ny fadimbolana kosa vao hita amin’ny test de grossesse amin'ny pipy. (Io no sûr indrindra)

⚠️ Misy karazany ny test de grossesse amin'ny alalan'ny pipy:
👉 Ny Test : atao alohan'ny ahatongavan'ny fadimbolana
👉 Ny test ampiasaina rehefa tara ny règle (Ny akamaroany)

🚫 Raha ny test dia afaka averina 48 ora aorian'izay na manao analysen'ny rà
❗Possible ny "Faux POSITIF" fa tsy matetika

❌ 99% ny test de grossesse amin'ny alalan'ny pipy, atao aorian'ny tsy fahatongavan'ny fadimbolana dia marina fa mila averina afaka 48 ora raha misalasalasa na manao analysen'ny rà.

⚠️ FANAMARIHANA: 3 hatramin'ny 5 minitra no mamoaka ny valiny ny test amin'ny alalan'ny pipy.
👉 Raha afaka adiny iray izany, na ny ampitso no mamoaka tsipika faharoa manjavona ny test dia tsy marina fa tsara averina 🤗

👇 Nisy nanana cas miavaka kely ve mikasika ny test de grossesse?

♥️ Raha nahasoa anao ity, dia zarao mba ahasoa ny hafa.

Category

Website

Address


Ampitatafika