Fara beauté
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fara beauté, Beauty, cosmetic & personal care, Ambalamanasy, Toamasina.
Mbolatsara!
Matetika apetrak'olona fanontaniana ity.
"Fa magnino zah rehefa nandoko volo lasa tapatapaka voloko sady maignimaigny?"
Mety maro manaraka zah ato koa zao mametraka io fanontaniana io kay andao hovaliantsika.
Tsy voatery volo miloko jiaby no ho tapatapaka sy maignimaigny fa miankina @ fikarakarana azy sy ny produits ampiasainao.
Voalohany aloha rehefa handoko volo anao dia jereo tsara ny lokom-bolo ampiasaina raha azo atao dia mba ataovy ilay loko tsara na naturelle tena tsara. Raha tsisy naturelle dia mba ataovy ilay produits tsy agressifs be.
Faharoa rehefa voaloko @ zay volonao dia miezaha mikarakara azy surtout miezaha mampiasa produits adaptés @ ilay cheuveux colorés mba hiarovana ilay volo sy hitazomana ilay lokom-bolonao.
Fahatelo ataovy ampy soins hydratant tsara mintsy ilay volo fa aza avela maigny be(Valable @ volo jiaby ity). Izay aloha sao lava loatra ka kamo eo areo hamangy azy😂😘
Mazotoa mikarakara volo aby o 😘
Mbolatsara !
Maro mp tonga manontany hoe inona no manala angadrano na tsingofo?
Hanome astuces vitsivitsy zah niany fa alohany hanomezako azy dia fantaro foana aloha ny antony nampisy azy fa miankina @ izay no hanalana azy.
1: Mampiasa sakaitany sasao madio tsara dia rapeo ary fiazo izy avy eo dia iny ranony iny osory @ hodidohanao sady ataonao massage avelao eo 15-30mn na 1h atao anaty bonnet auto-chauffant dia sasao. Afaka ampianao ravina antsomanga koa.
Antsomanga koa mbola mety ataonao démêlage iny ranony madity iny no ibangoinao volonao dia alona kely avy eo vao sasana.
2: Mangala agnandrano dia atao karaha antsomanga io koa.
3: Aloe vera ampandivezina dia iny no anakobanana volo farany rehefa ilay manasa volo.
4: Romba ampandivezina dia iny ranony iny no anakobanana volo farany rehefa manasa volo.
5: Mampiasa shampooing clean anti-pelliculaire na gommage capillaire.
Ireo rehetra ireo tsy vitany hoe manala angadrano fotsiny fa sady mampaniry volo nefa ilay mahafaka nihin'olona tsirairay tsy mitovy ka anjaranao manadrana fa naturels reo tsisy atahorana.
Izay fa mazotoa mikarakara volo aby o😘😘😘
Mbolatsara !
Efa firy volana tsy nanao gommage capillaire sy clarification anao zay?
Aza adino fa na mañana odidoha salama atsika tokony manao gommage capillaire une fois par mois fon ai farafahakeliny dia karaha zaigny koa clarification. Aza adino foana ndraiky fa mila manao soins hydratant en profondeur atsika rehefa manao azy an. 😘😘😘
07/09/2026
Bonsoir ! Photo 1 volo avy nitaly handeha hatao soins
Photo 2 volo vita soins sady vita styling méthode brosse.
Photos3,4,5 volo vita séchage t@ diffuseur tsy nampankatra fa juste nitifirina fon nandritrany séchage satria tsy mila volume izy sady te hitazona longueur.
Misaotra foana @ fahatokisana❤️❤️❤️ Karakarao volonao io mba hampivoaka ny hatsarany fa aza mandany fotoana magniry volon'olona fa nihinao mba tsara😘😘😘
Bonjour ! Aza mandany fotoana magniry volon'olona fa karakarao nihinao satria nihinao io koa voakarakaranao mba dila tsara. Zay aloha fa sabotsy ny andro ai ataovy ny soins😘😘😘
Bonjour ! Efa vita androany ve ny soins sa rampitso ?
Efa teneniko foana fa tsy ilay fanaovana méthode akory no soins an fa ilay fikarakarantsika ny volontsika izany hoe ny fanomezantsika sakafo ho azy. Rehefa vita izay dia afaka misafidy anao na hanaboaka tsara ny firafitry ny boucles nao selon type de cheuveux nao na anao hibango volo na anao hitaly.
Soins inona ary no tokony hataonao @ weekend ity, nourrissant sa hydratant sa protéiné ? Mazotoa mikarakara aby o😘😘😘
Bonjour ! Mirary herinandro finaritra sy ho feno fahombiazana ho antsika jiaby 😘😘😘
Bonjour !
1er août niany dia ny tonga ao andoha ny sasany voalohany dia hoe hanapa-bolo.Fanontaniana mipetraka dia ny hoe:
Tsy maintsy 1er août ve vao tena tsara manapa-bolo?
Inona no tena antony anapahana azy?
Ny valiny dia hoe tsia satria tsy atao routine ny fanapahana volo fa misy antony sy tanjona tratrarina ohatra tsary nanapaka pointes anao dia feno matsikotsiko kely manaratsy endrika ilay volo ilay pointes.
Faharoa matetika ny volo rehefa tratrany hatsiaka dia mora vakivaky sy tapatapaka ka t@ mbola tsy nisy loatra ny changement climatique efa presque lasa ny ririna ny mois d'août ka izay no anapahana volo.
Fa ny tena tsara isaka 3 à 6 mois no tsara manala pointes kely foana dia rehefa hita fa feno vakivaky sy tapatapaka koa ilay volo.
Fahatelo ataovy ampy soins tsara foana ny volo dia tsy ho vakivaky sy ho tapatapaka izy indrindra fa ny soins nourrissant rehefa mangatsiaka ny andro.
Aza manaiky baikony calendrier fa ny filany volonao no aoka hibaiko anao @ resaka fanapahana volo io fa na zaigny ndraiky samy manana ny safidiny ny tsirairay.
Shout out to my newest followers! Excited to have you onboard! Germanic Kinga, Tsara Hazo
Mbolatsara jiaby o! Aza adino ny manao soins na dia hitaly aza ianao satria iny soins ataonao alohany anao hitaly igny important be @ fikarakarana ny volonao.
Ampitiavana be bisous😘😘
NB: Tsy voatery hoe tsy mitaly fa manaboaka boucles foana no atao hoe mikarakara volo @ fomba natoraly fa ny tsy fampiasanao produits chimiques @ fikarakaranao ny volonao. Dikan'izaigny afaka mitaly tsara mintsy ny olona mikarakara volo @ fomba natoraly fa tsy voatery ho frisés na bouclés na ondulés, eny foana ilay volo.
Category
Website
Address
Toamasina