Vanona

Vanona

Share

NY Asa Ataoko Amizao mivarotra friperie sy mivarotra sakafo .mitongava mizaha sady mivanga havakoaby. Adressée Sambava ville.

Cartiers Ambodisatrana Ampitany Garé Routier taloha.

31/10/2025

FANAMBARANA avy amin'i Dr Marie Michelle Sahondrarimalala:

Amin’ny alalan’ity fanambarana ity dia ampahafantarina amin’ny vahoaka malagasy manontolo, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ny mpisehatra rehetra eo amin’ny rafitra fanabeazana, fa mitsahatra manomboka androany ny asako amin’ny maha-Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ahy.

Araka ny voalazan’ny Didim-panjakana laharana faha-2025-1030 tamin’ny 29 septambra 2025, izay namarana ny asan’ny Praiminisitra sy ny Governemanta sady nametra ny fepetra momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana andavanandro, dia nampandrindraina ahy ny andraikitra hanohy sy hitantana ny asa andavanandron’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ho fanajana ny fitsipiky ny fitohizan’ny raharaham-panjakana.

Na izany aza, raha jerena ny zava-misy, ara-tsosialy sy ara-politika ankehitriny eto amin’ny firenena, dia tsy mamela intsony ny fepetra misy mba hahafahana manatanteraka amin’ny fomba mahomby sy milamina ny fitantanana sy ny fandehan’ny asa eo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ary koa ny fanatanterahana amin-pahombiazana ny raharaham-panjakana andavanandro.

Manoloana ny maha-zava-dehibe ny fitohizan’ny asa fanompoam-panjakana amin’ny sehatry ny fanabeazana, izay fototra iorenan’ny fampandrosoana maharitra ny firenena, dia andraikitro amin’ny maha-tompon’andraikitra ambony ahy ny mamela ny manampahefana mahefa handray ny fepetra ilaina rehetra mba hiantohana ny fitoniana sy ny fahombiazàn’ny rafitra fanabeazana eto amin’ny firenena.

Noho izany antony izany, dia manambara amim-pomba ofisialy aho fa mamarana ny asako amin’ny maha-Ministry ny Fanabeazam-pirenena ahy, ary mangataka amin’ny manampahefana mba handray izany fanapahan-kevitra izany, mba hanan-kery avy hatrany.

Etoana ihany koa, dia maneho aho ny fisaorana sy fankasitrahana lalina amin’i Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, noho ny fitokisana napetrany tamiko nandritra izay dimy taona izay, nahafahako nanompo ny firenena tamim-pahitsiana sy fahavononana tanteraka.

Maneho fisaorana manokana ihany koa aho ho an’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena manontolo, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ireo mpisehatra rehetra sy namana eo anatin’ny tontolon’ny fanabeazana. Nanolo-tena tamim-pahamarinana, fahatokiana ary fahatsapan’andraikitra tokoa ianareo, ho fanatanterahana ireo fanavaozana napetraka hanatsarana ny fitantanana, ary ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara.

Mifikitra hatrany aho amin’ny finoako sy ny fiekeko amin’ny fitiavan-tanindrazana, dia hijanona ho mpandray anjara tanteraka amin’ny fanorenana sy fananganana firenena Malagasy matanjaka, mendrika ary mandroso aho, amin’ny endrika hafa sy sehatra hafa, fa fanasoavana ny firenentsika.

Category

Website

Address

Sambava Ville Ampitany Garé Otuer Taloha Ambodisatrana
Sambava