Rasazy Manoa
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rasazy Manoa, Health/Beauty, Ambohitrarahaba, Sabotsy-Namehana.
11/11/2025
NY TOKONY ATAO SY NY TSY TOKONY ATAON'IREO RENY MITONDRA VOHOKA❤️
I. Ny tokony atao:✔️
1-Fitsaboana sy fanaraha-maso ara-pahasalamana
*Manao consultation tsy tapaka amin’ny tobim-pahasalamana.🧑⚕️
*Mandray ny vitamine sy supplément (toy ny acide folique, fer, calcium) araka ny torohevitra avy amin’ny dokotera🧑⚕️
*Manao vaccination.
2.Sakafo ara-pahasalamana:
*Mihinana sakafo voalanjalanja, misy proteinina, legioma, voankazo, sy vary☺️
*Misotro rano ampy isan’andro (1,5–2 litatra).
*Misafidy sakafo maivana sy mora levona, miaro ny fandevonan-kanina.
3.Fihetseham-po sy fanatanjahan-tena maivana:
*Manao fanatanjahan-tena maivana toy ny mandeha an-tongotra... ho an’ny bevohoka, na fanazaran-tena mampitony.
*Mitady fomba hampihena ny stress sy hialana amin’ny adin-tsaina.
4.Fiarovana amin’ny aretina:
*Mitandrina amin’ny fanaovana fanadiovana tsara, misasa tanana matetika.
*Misoroka aretina amin’ny alalan’ny fanajàna fitsipika momba ny sakafo sy ny fahadiovana.
5. Fitsaharana sy torimaso:
*Mandray torimaso ampy, manodidina ny 7–9 ora isan’andro.
II. Ny tsy tokony atao:❌
1. Fanafody sy zava-mahadomelina:
*Tsy misotro zava-pisotro misy alikaola na mifoka sigara.🚭
*Tsy mampiasa fanafody💊 tsy nomen'ny dokotera🧑⚕️
2. Sakafo sy zava-maniry mety hanimba
*Tsy mihinana sakafo tsy masaka tsara (hena, atody)
*Tambavy❌
3. Asa sy fihetsika mety hampidi-doza:
*Tsy manao asa mavesatra na mitarika loza.
*Miezaka tsy mitsambikina,mibata Zavatra mavesatra❌
4. Fanaovana fihetsika mampitombo stress:
*Tsy mamela ny adim-pihetseham-po be sy ny fihenjanana.
*Miezaka mitazona toe-tsaina milamina sy fifaliana araka izay azo atao.
💡 Fanamarihana:
***SAKAFO+RANO+FITSABOANA+TORIMASO+FANATAJAHANTENA = ZAZA SALAMA SY RENY SALAMA❤️☺️
____+++Raha misy fambara manokana toy ny fanaintainana mafy, rà mivoaka, na fihenan’ny fivezivezena zaza, Manantonà avy hatrany any amin’ny tobimpahasalamana🫶
Mirary SOA🙏
11/11/2025
MIARAHABA ANTSIKA REHETRA INDRAY😊
ELAELA NO TSY TATO😅HIALANA TSINY BETSAKA TOMPOKO🙏 INDRINDRA TAMINIREO MP NA KOA HAFATRA MIAFINA IZAY NAPETRAKAREO TSY VOAVALY🙏🙏
Manomboka eto Dia hiverina amin'ny laoniny ny pejintsika
hizara ny mahasoa HOANTSIKA REHETRA foana ny tenako❤️
manasa antsika hanaraka ny page tsy tapaka🙏
Mirary SOA hatrany Ary indrindra hoan'ny Reny rehetra 🫶
Category
Website
Address
Sabotsy-Namehana