SDSP Manakara

SDSP Manakara

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from SDSP Manakara, Health/Beauty, BSD MAROALAKELY MANAKARA, Manakara.

02/04/2026

MANATONA CSB AKAIKY ANAO RAHA VAO VOARANGITRA AMBOA NA PISO

MAHAFATY NY HAROMOTANA

Photos from SDSP Manakara's post 01/04/2026

đź’˘ SDSP MANAKARA
🛺 FAMPITAOVANA TUC-TUC VAOVAO
⏰ MANAKARA, 01 APRILY 2026

➡️ Nahazo fitaovam-pitaterana TUC-TUC vaovao ny CSB U Maroalakely, izay hampiasaina hanamafisana ny ady atao amin’ny VBG (Violence Basée sur le Genre).

➡️ Mankasitraka feno ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny UNFPA Madagascar, tamin’ny fanomezana ity fitaovana sarobidy ity.

➡️ Noraisina tamin’ny fomba ofisialy izany TUC-TUC izany, notanterahin-dRamatoa Médecin Inspecteur mpisolo toerana sy ny Médecin Chef ao amin’ny CSB U Maroalakely.

✍️ PF COM SDSP MANAKARA

Photos from SDSP Manakara's post 27/03/2026

đź’˘ SDSP MANAKARA
📌 FANENTANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY VALAN’ARETINA MPOX
✍️ Alakamisy 26 Martsa 2026

➡️ Nidina ifotony ny ekipa EMAD ato amin’ny SDSP Manakara ka nanatanteraka fanentanana mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Mpox.

➡️ Nisy ny fampahatsiahivana ireo fepetra fiarovana (gestes barrières), ny fisehon’ny aretina, ary ny lanjan’ny fanadiovana sy fanasiana désinfection ireo fiara miditra eto Manakara.

➡️ Ny fanentanana dia nifantoka manokana teny amin’ny stationnement national sy ny fitaterana an-drano (transport fluvial), izay isan’ireo toerana mora iparitahan’ny aretina.

🙏 Miantso ny rehetra hanaja hatrany ny fepetra fisorohana, mba hiarovana ny tenantsika sy ny fiarahamonina.

PF COMM SDSP MANAKARA

Photos from SDSP Manakara's post 14/03/2026

đź’˘ SDSP MANAKARA
✍️ BONNE ANNÉE SOCIALE 2026
đź’˘13 Mars 2026
📍 Hôtel La Roche – Manakara

➡️ Tanteraka teto Manakara ny fifampiarahabana tratry ny taona 2026 ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra ato anatin’ny Distrikan’i Manakara.

➡️ Mankasitraka manokana ny Talem-paritrin' ny Fahasalamam-bahoaka Fitovinany,ny Médecin Inspecteur Manakara, ary ireo PTF izay tonga namaly ny fanasana nataon’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny fahasalamana.

➡️ Tanteraka izao hetsika izao noho ny , ary misy eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra eto amin’ny Distrikan’i Manakara.

➡️ ny – Isika rehetra miara-mientana ho amin’ny fahasalamam-bahoaka tsaratsara kokoa.

✍️ SDSP MANAKARA

Photos from SDSP Manakara's post 11/03/2026

⸻

📍 SDSP MANAKARA – R***E TRIMESTRIELLE 2026
📅 Manakara, 10–12 Mars 2026

➡️ Tanterahina eto Manakara ny fivoriana isan-telovolana (R***e Trimestrielle) izay anatrehan’ireo Lehiben’ny Tobim-pahasalamana Fototra (CSB) miisa 56 ao anatin’ny distrikan’i Manakara.

➡️ Tonga manatrika sy mandray anjara mavitrika avokoa ireo tompon’andraikitra avy eny anivon’ny CSB.

➡️ Mandritra izao fivoriana izao dia atao ny jery todika ny asa vita nandritra ny taona 2025, ary apetraka ihany koa ny tanjona sy paikady ho an’ny taona 2026 isaky ny programa, izay atolotry ny tompon’andraikitra ao amin’ny EMAD.

➡️ Ny tanjon’izao fihaonana izao dia ny hanamafisana sy hanatsarana hatrany ny rafitra eny ifotony, ary indrindra koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.

➡️ Ny Médecin Inspecteur par intérim no nanokatra sy nitarika ity fivoriana ity.

🤝 PF COMM – SDSP MANAKARA

03/03/2026

MPOX MPOX
TENA MISY
MITANDREMA ISIKA RAGNANDRIA

Photos from SDSP Manakara's post 23/02/2026

đź’˘ SDSP MANAKARA
📌 FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY ZAZA ENY IFOTONY
✍️ MANAKARA, 23 FEBROARY 2026

➡️ Notanterahina ato amin’ny Distrikan’i Manakara ny Formation de Formateurs en Prise en Charge Intégrée des Maladies de l’Enfant – niveau communautaire (FDF PCIME communautaire), manditra ny 5 andro, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpiasan’ny fahasalamana.

➡️ Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany fiofanana izany Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Fitovinany, izay nanome toromarika sy fampaherezana ho an’ireo mpandray anjara.

➡️ Izao fiofanana izao dia tanteraka noho ny fanohanan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ka isaorana manokana amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana tsy tapaka.

🎯 Tanjona ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny zaza eny ifotony, mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny dimy taona.

✍️ PF COMM SDSP MANAKARA

Photos from SDSP Manakara's post 18/02/2026

đź’˘ SDSP MANAKARA
📌 FORMATION SUR LA PRISE EN CHARGE DU PALUDISME
📅 Manakara : 18 – 21 Février 2026

➡️ Tanterahina eto Manakara ny fiofanana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny 26 ato anatin’ny Distrikan’i Manakara.

➡️ Tanjona amin’izao fiofanana izao ny hanamafisana sy hanatsarana hatrany ny fandraisana an-tanana ireo marary voan’ny tazomoka, mba hampihenana ny tahan’ny aretina sy hisorohana ny fahafatesana aterany.

➡️ Mankasitraka manokana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny Programme National de Lutte contre le Paludisme (PNLP), ary ireo mpiara-miombon’antoka CRS/REACH, tamin’ny fanohanana sy fiaraha-miasa.

❌ MALAGASY TSY HO FATIN’NY TAZOMOKA
🤝 Miara-mientana isika hiady amin’ny tazomoka!

✍️PF COM SDSP MANAKARA

Photos from Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Fitovinany's post 13/02/2026

Category

Website

Address

BSD MAROALAKELY MANAKARA
Manakara
316